Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-2

8 Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tànana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina;

9 toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena, tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy no atao, 10 fa asa soa araka ny mety amin'ny vehivavy mpivavaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0864